Webradio

TATITRA VONJIMAIKA FITSENANA TAOM-BAOVAO : Olona 2 maty 131 nandalo tao amin’ny sampana vonjy aina

Araka ny tatitra vonjimaika nomen’ny tompon’andraikitra dia 131 ny isan’ny olona nandalo tao amin’ny sampana vonjy taitra nandritra ny fety fitsenana ny taom-baovao 2018. 47 amin’izy ireo vokatry ny lozam-pifamoivoizana ary 74 vokatry ny ady sy herisetra isan-karazany.  2 janvier 2018

Olona 2 amin’ireto farany araka ny fantatra no maty. Ny iray dia maty voatsatok’antsy teny Ampasika ary ny iray hafa maty voadonan’ny fiara teny amin’ny lalana Digy. 
Marihina fa mbola tatitra vonjimaika izany rehetra izany ary tsy mbola nahazoana tatitra, ohatra, ny olona nandalo tao amin’ny Sampana vonjy aina na naiditra hopitaly noho ny fisotroana toaka be loatra sy ny hafa.


A.Lepêcheur

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés