Webradio

KIOSKA FANDEFASANA VOLA AO MAHAJANGA BE : Vola 50 tapitrisa Ariary norobain’ny jiolahy

Kioska fandefasana vola sy fakana vola no notafihan’ny jiolahy roa mitondra môtô teo Mahajanga be, ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany hariva. 10 janvier 2018

Mpiasa iray ao amin’ity kioska ity no noravain’ny jiolahy rehefa hanatitra vola, amin’ny orinasam-pifandraisana. Nobedainy ary nokapohany maritoa ny lohan’ilay lehilahy, ary nosintonin’izy ireo ny kitapo nisy ny vola 50 tapitrisa ariary ary lasa nitsoaka izy ireo, nandeha môtô. Polisy iray nandrindra ny fifamoivoizana no nahatazana ny zava-nitranga ka niantso ny namany ary nifanenjehana ireo jiolahy. 

Tsy lasa lavitra dia tratra ny iray, nosarihan’ny polisy avy teny ambony môtô fa ny faharoa kosa nirifatra. Io tratra io no noterena hanoro ny toerana misy ny namany saingy narirarirany teo ny polisy sy ny tompon’ny kioska. 

Toerana maromaro no natorony ka narahin’ireo polisy hatrany amin’ny village touristique sy Antsahabingo ary Ambalavola saingy tsy tratra ilay faharoa. Tranona ramatoa iray no notondroiny ho nanafenana ilay vola saingy rehefa natao ny fisavana dia tsy hita. 

Nampiahiahy ny polisy ny fihetsik’ilay ramatoa ka nosamborin’ny polisy ihany koa izy, hohadihadiana. Mbola mitohy ny fanadihadiana fa hatreto dia tsy hita mihitsy ilay vola voaroba.


Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés