Webradio

TAKAITRA NAVELAN’I AVA : Mitohy ny fanadiovana ny lalam-pirenena fahadimy

Mitohy ny fanadiovana ataon’ny avy eo anivon’ny Faritra Analanjirofo amin’ny lalam-pirenena fahadimy iny. 12 janvier 2018

Nesorina avokoa ireo sakantsakana rehetra nanomboka avy tao Antaratasy. Izao no natao dia ny mba tsy hisian’ny olana amin’ny fivezivezena mihazo an’Analanjiirofo. 

Amin’ny maha ao anatin’ny Faritra Atsinanana an’Antaratasy ka hatrao Ambalahasina, dia niera tamin’ny faritra Atsinanana aloha ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo mba hialana amin’ny mety ho filazana fanitsahana andraikitra. Na tsy ao anatin’ny Faritra Analanjirofo mantsy ireo tanàna voalaza ireo dia mampikatso ny fifamezivezena any Analanjirofo raha tsy afaka ireo sakana. 

Tsy manana olana amin’ny famatsiana solika intsony noho izany ny any an-toerana ankehitriny. Efa voavaha izany amin’izao fotoana satria afaka ireo hazo nidaraboka tamin’ny tany ka efa afaka soa aman-tsara ireo fiarabe mpitatitra solika. Marihina fa ny Faritra Analanjirofo no niantoka ny lany rehetra tamin’izao asa fanadiovana ny lalam-pirenena fahadimy izao. 

Efa manomboka miverina amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka any amin’ireo distrika enina mandrafitra ny faritra, araka ny angom-baovao voaray hatrany.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés