Webradio

FANOVANA MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA : Tsy mitovy fomba fijery ny Hvm

Mandeha indray ny feo tato ho ato fa tsy hisy ny fanovàna ny mpikambana  ao amin’ny governemanta izay tarihin’i Solonandrasana Mahafaly Olivier.  11 janvier 2018

Ny antony araka ny loharanom-baovao sasany akaiky ny fitondrana dia efa tara loatra hono satria efa akaiky ny fifidianana. Midika izany fa raha misy amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ankehitriny hilatsa-kofidiana ho Filoham-pirenena dia mbola afaka mijanona ao amin’ny toerany hatramin’ny fe-potoana farany voalazan’ny lalàna izay tsy maintsy anaovany fametraham-pialana.

Fa tsy vitsy kosa, hoy ny fanazavana nomen’ireo olona tafaresaka tamin’ny mpanao gazetinay ny tale jeneraly sy ny hafa izay hita fa tsy mahomby  eo anivon’ireny  ministera ireny hoesorina amin’ny toerany. Samy manana ny heviny ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Hvm satria maro amin’izy ireo no tsy mankasitraka  ny fitazomana ny mpikambana maromaro amin’ny governemanta misy ankehitriny. 

« Amin’ny fomba ahoana no hitazomana ireny ministra hita fa manodinkodina volam-bahoaka ireny ary tsy mihevitra afa-tsy ny tombontsoany, ohatra  ? Tsy vitan’izany fa tsy mandray anjara firy akory izy ireo amin’ny fampiroboroboana ny antoko Hvm ary tsy miaro ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsy misy afa-tsy minisitra 3 no miaro an’ity farany  », hoy izy ireo. Mitaky ny fanovàna mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta sy ny fanesorana ny Praiministra Solonandrasana Mahafaly Olivier,  araka izany, ireto tompon’andraikitra hafa akaiky ny fitondrana ireto. 

Tsy am-pihambahambana no nilazan’izy ireo fa «  tsy mahavita azy ingahy Praiministra  ». Mibaribary araka izany  fa tsy mitovy fomba fijery ny mpikambana ao amin’ny Hvm ary manjaka ny ady seza.


A.Lepêcheur

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés