Webradio

ZAVA-MISY

HABA ALAINA AMIN’NY "VISAS AUX FRONTIERE" : “Bizina” maizina ataon-dry Mbola Rajaonah

Tsy kely lalana amin’ny fanaovana bizina maizina amin’ny fakana vola tsy ara-dalàna amin’ny haba (taxe) amin’ireny trano fampidiram-bolam-panjakana ireny ry Mbola Rajaonah sy ireo olona manodidina azy ao anaty Fitondrana.  16 janvier 2018

Haba alaina amin ’ ny mpizahantany eny am - pahatongavana, miditra ny sisin – tannin ’ i Madagasikara, eny anivon ’ ny seranana (seranam - piaramanidina na seranan - tsambo) antsoina hoe «  visas aux frontières  » indray no nomena an - tsokosoko orinasa tsy miankina amin ’ ny Fanjakana antsoina hoe  : Ametis  (Agence malgache d’ édition de titres et de timbres sécurisés). 

Ny Ministeran ’ ny Filaminam - bahoaka no nisahana an ’ izany birao fitakiana ny haba alaina amin ’ ny mpizahantany izany, teo aloha, ary izao nomena ny Ametis izao. Tsy mazava ny fomba nahazoan ’ io orinasa io izany tsena izany.  Notakonan ’ izy ireo endrika fiaraha - miasa amin ’ ny tsy miankina sy ny Fanjakana( 3P) ary narahana «  didim - panjakana matoatoa  » ny fomba nanaovan ’ izy ireo ny taratasy nentina nahazoana izany. Io didim - panjakana io dia mamariparitra ny pitsopitsony amin ’ ny firosoana amin ’ izany «  visa électronique  » izany na ilay antsoina hoe «  eVisa  ». 

Io resaka «  eVisa  » io no entina handrebirebena ny saim - bahoaka ary hanarotsaronana ny fanaovana rapa - dango ao anatin ’ io fanomezana ny orinasa Ametis io birao fampidiram - bolam - panjakana momba ny haba alaina amin’ ny mpizahantany io.   


HABA ALAINA AMIN’NY "VISAS AUX FRONTIERE"
2018-01-20 16:42:37 par bordeaux 33000

Ino koa moa mbola ahagaga amzany.io bizina tsy mila mandeha miampita am n avion mandeha a Singapour fa mampanankarena sur place.tsy maintsy atao mihoa pampa à NY harena fa mila NY anjarany koa i lucifere.mis y kopak isasahana amin y filoha NY bizina ao .taiza anao nahita minisitra NY finance lasa filoha izany raha tsy teto noho fanohanan NY antoko politika matanjaka toy i andry ? Zao tonga am fitondrana NY hvm nazy dia hvm antoko matanjaka indrindra.oeeeh.ravanareo ny maire tam renivohi paritany rehetra .matanjaka NY malete.harenan tsika giazanareo .NY emoreg miaro anareo.mavesatra NY malete azon i mpiaro anareo.araraoty tsara dieny mbola eo fa mbola hoavy andro andovanareo am vaoaka.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés