Webradio

FITAZONANA OLONA AN-KERINY : Lehilahy iray teratany frantsay nafenin’ny sakaizany an-tsokosoko

Tranga iray hafahafa indray no niseho tao amin’ny Kaominin’Antanamitaraina Distrikan’Antsiranana II , afak’omaly.   18 janvier 2018

Lehilahy iray teratany frantsay  antsoina hoe “Bernard Charles” 75taona no nafenina  an-tsokosoko tao an-trano. Araka ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa  i Mourina Mahmoudou no nanidy azy io an-keriny tao an-tranony nandritra ny andro maromaro. 

Tamin’ny fanadihadiana rehetra natao dia voalaza fa sakaizany ity ramatoa nanafina azy ity. Noho ny tsy fahitan’ny havany ity lehilahy ity tamin’ny andro maromaro dia nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo  ka nanomboka teo ny fikarohana. Nidina tany an-toerana avy hatrany  ny zandary tamin’izany ka tratra tao amin’ilay trano izay fantatra fa nanafenana ity rangahy ity ilay ramatoa voalaza etsy ambony. Raikitra ny savahao ka  sarona tao tokoa ity  vazaha lahy ity. 

Avy hatrany dia  naterina   teny amin’ny kaonsilin’i Frantsa” tao an-toerana itsy farany ka avotra soa aman-tsara ihany ny ainy ary salama tsara izy. Nandray fepetra hentitra  ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Zandary taorian’izay tranga izay ka efa notazomina  ity nahavanon-doza  sy ny olona iray niaraka nitsikombakomba taminy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés