Tsy mafonja ny anton’ny fangatahana nomen’izy ireo araka ny fanazavana azo. Enina ny fepetra angatahin’ny fitsarana hanekena ny fangatahana ka ny dimy dia feno fa ny fahaenina kosa izay mitaky antony mitombina sy tohan-kevitra mafonja dia tsy arak’izany velively.
Vokany, notsi pahan’ny fitsarana ny fangatahan’ireo mpianatra. Miisa valo izy ireo saingy tsy nisy nekena avokoa. Ho an’ny fangatahana fanafoanana kosa dia manana iray taona ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana hitsarana azy.
Saingy mety ho vita ato anatin’ny efa-bolana ka hatramin’ny enim-bolana izany. Tsy maintsy hihatra izany ny fanapahan-kevitry ny ‘conseil de discipline’ ho an’ireo mpianatra rehetra voakasik’ izany.
Vanessa