Fiarabe mpaka fako amin’ny dabam-pako lehibe irony izy io. Noho ny fahitana ny ezaka nataon’ny kaominina no nahatonga azy ireo hanampy ny kaominina araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna, Andriantomanga Mokhtar.
Lanonana lehibe no natao ny alatsinainy maraina teo natrehan’ireo mpiray ombon’antoka sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny kaominina ary ny mpiasan’ny kaominina. Nomena mari-pankasitrahana ireo orinasa niara-niasa tamin’ny kaominina.
Io no manampy ilay fiarabe marika Foton nomen’ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina hakana ny fako eto Mahajanga. Saika efa simba daholo mantsy ireo fiarabe mpaka fako amin’ny dabam-pako lehibe niasa teto Mahajanga nomen’ny fitondrana Ravalomanana.
Vanessa