Webradio

ANTSIRANANA - FISOTROANA TOAKA : Tovolahy roa maty voatsatok’antsy

Tovolahy roa no maty vokatry ny fifamaliana tamin’ny trano fisotroan-toaka iray tao Scama taty Antsiranana. Araka ny vaovao voaray dia niara-nisotro toaka ireo tovolahy nanao andiany ireo, ka niafara tamin’ny tsatok’antsy. 24 janvier 2018

Tsy fantatra mazava tsara ny antony nahatonga ny fifanjevoana.Teo ivelan’ity toeram-pisotroana ity vao raikitra ny fifampitsatohana antsy. Ny iray hafa izay niezaka nanasaraka ireo niady dia voatora-bato tandrify ny taola-masony. Ny roa hafa voatoboko ny meso ireo dia samy nentina haingana tao amin’ny hopitaly manara-penitra ny iray ary ny iray hafa tao amin’ny hopitaly miaramila. Ny sabotsy alina hifoha alahady no nitrangan’izany.

Ny marainan’ny alahady re fa maty ny iray, izay avy ao amin’ny fokontany Ambalavola. Ny iray nalefa nanaraka fitsaboana tao amin’ny hopitaly miaramila kosa indray dia ny alin’ny alatsinainy  hifoka ny talata 23 janoary no maty na dia teo aza ny ezaka natao. Hatreto dia mbola tsy voasambotra ilay zalahy nahavanon-doza, izay voalaza fa monina ao Morafeno Ambalakazaha.

Mbola ao anatin’ny fikarohana ity farany ny mpitandro filaminana. Mba hahazoam-baovao mahakasika ny zava-nitranga dia voatery notazomin’ny mpitandro filaminana ilay zalahy nanasaraka ireo niady, izay fantatra fa nanatri-maso ny zava-niseho. Efa misokatra ny fanadihadihana mahakasika ity raharaha vono olona ity. Araka ny fanampim-baovao hatrany dia efa mpamerina heloka ity nahavanon-doza ity, izay karohina fatratra. Tahaka izany ihany koa ny iray tamin’ireo maty ireo, avy ao Manongalaza ity. Azo ambara araka izany fa efa mpanao azy ireto nifampitsatoka antsy ireto fa lasa nifamono izy samy izy.

Ny mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao dia efa samy nanana antsy avokoa ny andaniny sy ny ankilany ka nifampitomboko meso izao. Heverin’ny maro araka izany fa ny olon-dratsy no tsy afa- misaraka antsy tahaka izany. Na izany aza anefa dia voararan’ny lalana ny famonoana olona ka mbola karohina mafy ilay nahavanon-doza.

Mpanjono

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés