Webradio

TGV AMBILOBE : Manentana ny mpikambana hisoratra anarana sy hanara-maso ny lisi-pifidianana

Nivory tao an-tampon-tanànan’Ambilobe ny sabotsy teo ny mpikambana ao anatin’ny antoko Tgv. 31 janvier 2018

Ny sekretera nasionaly lefitr’ity farany ho an’ny faritanin’Antsiranana, Jocelyne Maxime sy ny filohan’ny departemantan’ny Tgv ao amin’ny distrikan’Ambilobe, Assimo Bruno no nitarika izany fivoriana izany. Nanentana ny mpikambana rehetra sy ny vahoaka ireto farany mba hisoratra anarana  ao anatin’ny lisi-pifidianana. Mba hahafahana hanara-maso tsara ny lisi-pifidianana ao amin’ny distrikan’Ambilobe dia natsangana nandritra izany fivoriana izany ny solontenan’ny antoko hanao izany asa izany isaky ny fokontany. Vonona hiatrika ny fifidianana rehetra manaraka izao, araka izany, ny antoko Tgv ao Ambilobe.

Fanolorana fanomezana

Taorian’izany fifidianana izany dia nitsidika ny foiben’ny fikambanam-behivavy «  Tsara Dia  » ao Antanamariazy i Jocelyne Maxime izay marihina fa sady solombavambahoaka voafidy tany Antsiranana I sy Assimo Bruno izay Ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’Ambilobe. Manao asa fanam boarana «  tapis  » ny fikambanana ka ho fanampiana ireo vehivavy mivondrona ao anatiny dia notolorana lelavola -hividianana akora ny fikambanana.

Ho fampiro- boroboana hatrany ny fikambanana «  Tsara Dia  » dia nilaza ny Ben’ny tanàna Assimo Bruno fa hotolorana milina fanjairana tsy ho ela ny fikambanana. Faly araka izany ireo vehivavy ao anatin’ity farany fa mba nisy olona nanampy azy ireo amin’ny asa ataony ka maromaroa, hoy izy ireo tahak’ireto mpitarika ny antoko Tgv ireto.

 A.Lepêcheur

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés