Webradio

AMBALAVAO : Voafehin’ny lalàna tanteraka ny seha-pihariana sy fandraharahana jono

Ny seha-pihariana rehetra dia tokony hiteraka fampandrosoana avokoa rehefa samy manaja ny fitsipika sy ny fepetra rehetra manodidina azy ny rehetra. 7 février 2018

Raha ny fantatra izao dia sehatra azo trandrahina tsara nefa marisarisa ny fandraharahana jono sy ny fitrandrahana ireo harena anaty rano any amin’ny Distrikan’Ambalavao. Hita taratra izany nandritra ny fivoriana izay nataon’ny fikambanana «  Tanjona Soafaniry  » ny faran’ny herinandro lasa teo tany an-toerana. Nisongadina nandritra ny fihaonana fa misy tsy voahaja ny lalàna samihafa eo amin’ity seha-pihariana ity.

Niezaka nampahatsiahy sy nanaraka akaiky ny fanarahana ireo fepetra takian’ny lalàna mifehy ny jono sy fanaratoana ny tompon’andraikitra, araka ny fantatra. Tsara ny manamarika fa manodidina ny roanjato eo ireo voaentana mivondrona ao anatin’ity fikambanana «  Tanjona Soafaniry  » ity amin’izao fotoana izao, raha toa ka maherin’ny telonjato tany am-piandohana, izany hoe tany amin’ny taona 2 000 tany ho any. 

Tonga tany an-toerana nanatrika ity fivoriana ity ireo teknisiana avy amin’ny sampan-draharaham-paritry ny harena anaty rano sy ny jono any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, notarihin’ny talem-paritra. Fivoriana izay nanamafisana fa voafehin’ny lalàna tanteraka ity seha-pihariana ity, ary mahavelona raha toa ka tena hifotorana. Nohamafisina ihany koa fa tokony hentitra amin’ny fanarahamaso ny ministera tompon’andraikitra. Malalaka ny toeram-pitrandrahana, dia ny vavarano roa tonta lehibe ao amin’ny distrika. Na izany aza anefa dia tsapa ho nihena dia nihena ny vokatra amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana « Tanjona Soafaniry ».


Misy olona manarato an-tsokosoko

Manoloana izany dia mitaky tetikasa matomatotra mba hahafahana mamerina ny lazan’ny faritra teo aloha amin’izany vokatra trondro izany ity seha-pihariana ity. Mandra-pisy izany anefa dia takiana amin’ireo mpikambana tsirairay ny fandrotsahana zana-trondro farafahakeliny 100 isan-taona. Hatreto anefa dia mbola vitsy no manatanteraka izany. Maro ihany koa, araka ny fanazavana, ireo ivelan’ny fikambanana izay minia mandika ny vanim-potoana fikatonan’ny rano ka manarato na manjono antsokosoko.

Setrin’izany dia tsy maintsy miara-miasa amin’ireo mpivarotra eny an-tsena ny fikambanana ho fanaraha-maso ny vokatra. Tanjona amin’izany ny hanavahana ireo mpanjono tsy manara-dalàna sy ireo mpiompy mahaleo tena voamarina an-taratasy. Ireto farany irery ihany mantsy no tokony handraisana vokatra. Nanamafy ny fivoriana natao fa ilaina ny fahamatoran’ny mpikambana mba hampirindra ny asa atao ka tsy misy ny tokony hatao an-tsirambina, indrindra amin’ny fanefana ny adidy 6 000Ar isan-taona ho fampandehanan-draharaha madinidinika.

Lucien R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés