Webradio

TSY FANDRIAM-PAHALEMANA : Saron’ny Zandary ilay toerana fanamboarana fitaovam-piadiana

Araka ny angom-baovao  voaray nifanesy tato ho ato dia hita taratra tokoa fa anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana tsy misy fitsaharany ny mponina eto an-drenivohitra. 8 février 2018

Saika ho isan’andro, hoy ireo mpitandro filaminana ny karazana tranga voarain’izy ireo ka anisan’ izany ny fiparitahan’ny basy tsy fanta-piaviana. Porofon’izany ny fahitana irony basy sy bala vita gasy irony rehefa tratra ireo mpangalatra. Nisy ny fepetra noraisin’ny zandary misahana ny heloka bevava  manoloana izay zava-misy izay ka nanomboka teo ny fiaraha-miasa tamin’olon-tsotra mba hanafainganana ny raharaha. 

Marihina ihany koa fa hatramin’ny faramparan’ny taona teo no nanomboka nirongatra izay tsy izy ny fahatrarana ireo  fitaovana fanamboarana  antsy, fitaovana ampiasaina amin’ny fanafihana ary basy vita gasy miaraka amin’ny bala. Fantatra àry  fa mpivady efa somary nahazo taona no tratra   teny Ambohidratrimo.

Mpivady efa antitra no atidoha mpikotrika mpanamboatra fitaovam-piadiana
 Manoloana ireo tranga  fanafihana niseho teto an-drenivohitra tato ho ato dia fantatra fa ireto mpivady tratra ireto no tompon’antoka tamin’ny famatsiana fitaovam-piadiana. Fanomezam-baovao avy amin’ny olon- tsotra sy tsara sitrapo no nahafahana nisambotra  azy ireo. Tsy nampoizin’izy ireo tokoa ny zava-nitranga raha toa ka ireo zandary no naka ireto farany tao amin’ny trano fonenany tetsy Ambohidratrimo. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo tamin’io fotoana io dia niaiky tokoa izy ireo fa tompon’antoka tamin’ny famatsiana sy fanamboarana  fitaovam- piadiana mahery vaika teto an-drenivohitra. 

Ny fiparitahan’ireo fitaovana ireo anefa no anisany antony goavana mampirongatra  ny tsy fandriam- pahalemana ka tsy maintsy hotohizana ny savahao manerana an’Antananarivo.

Karazana fitaovam-piadiana maro no hita nandritra ny fisavana natao
 Tamin’ny fotoana nidinan’ny zandary sy ny polisim-pirenena teny an-toerana dia saika hita tao amin’ny trano fonenan’ireo mpivady ireo avokoa ireo karazam-basy samihafa, toy ny basy lava, bala “canon sy méchanisme” maro  ho an’ny fitaovam-piadiana, toy ny  “Kalachnikov”, irony “pistolet” irony na “arme de poing”  izay amin’ny karazany avy. Marihina fa ny trano nipetrahan’izy ireo mihitsy no nataony toerana fanefena ireo fitaovam-piadiana ireo.

Ny alakamisy voalohan’ny volana febroary hifoha 2 febroary lasa teo iny moa no nanaovana ny fisamborana teny amin’ny manodidina an’Ambohidratrimo, Andakana ka tra-tehaka teo am-panamboarana izany basy gasy izany ireto olona mivady ireto ary mbola teo avokoa ny fitaovana rehetra fampiasan’izy ireo sy ny basy izay efa vita. Araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana noho izay seho izay dia hentitra amin’izao fotoana izao ny fanaraha-maso satria mihasarotra ny asa noho ny firoboroboan’ity fitaovam-piadiana ity.

Tapitra manana avokoa ireo jiolahy, hany ka miha mafy ny ezaka amin’ny fisamborana azy ireo. Izao no tontosa aza  dia noho ny fiaraha-miasan’ny “Brigade criminelle” sy ny “Service Anti-Gang” izay naharitra andro maromaro nanao ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso nialoha ny nirosoana tamin’ ny fisamborana.


 Mbola mitohy ny fikarohana ireo olona ahiahiana mikasika ity raharaha ity

Nandritra ny angom-baovao voarainay mikasika ny fiparitahan’ny basy ity ihany dia hisy ny fisafoana sy fisavana ataon’ny zandary manodidina an’Ampasika, Andranonahoatra sy Itaosy manodidina iny. Anisany faritra tena iasan’ny asan-jiolahy ihany koa mantsy iny faritra iny  ary saika mitam-basy sy zava-maranitra avokoa ny ankamaroan’ireo jiolahy.

Betsaka ireo efa lasibatra tamin’ izany ary namoy ny ainy  mihitsy vokatry ny fampiasan’ireo jiolahy zava-maranitra sy basy mahery vaika, toy ireo mpivarotra  mpamongady eny an-toerana, sy ireo mpivarotra mpampiasa vola be. Efa misy ny olona ahiahiana   ankehitriny saingy mbola   eo am-panatanterahana ny asany ny mpitandro filaminanana. Mitohy hatreto ny fanaraha-maso sy ny savahao ataon’izy ireo.

Tatianà R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés