Webradio

FISOLOKIANA AMIN’NY TAMBAJOTRA FACEBOOK : Very vola an-tapitrisany ilay Mahorey

Tambajotra facebook no nanjonoan’ity vehivavy iray, lehilahy mahorey mipetraka any Marseille any Frantsa.  8 février 2018

Nifanerasera tamin’ny tambajotram-pifandraisana izy ireo ary nataony ny fomba rehetra izay nahatongavan’io lehilahy io eto Mahajanga. Tonga nitsena azy ny 27 desambra teo ilay Mahorey ary naterin’ity mpisoloky tany amin’ny trano fandraisam-bahiny voaomana hivantanany ilay teratany vahiny. Rehefa tonga tao izy ireo, nandeha namonjy ny trano fidiovana avy hatrany ilay lehilahy. 

Ravehivavy kosa tamin’izay nanararaotra naka ny vola 350 euros sy roa hetsy ariary tao amin’ny kitapo nametrahan-dralehilahy ny volany ary nandositra avy hatrany, araka ny vaovao azo tamin’ny famotorana nataon’ny polisy. 

Nametraka fitoriana ilay voasoloky saingy nananosarotra ny fitadiavana ilay vehivavy satria intelo nisolo trano izy, mba tsy hahitana azy. Nilaza ny tenany ho fetsy nefa tratra tao Antanimalandy ihany ity mpisoloky. Nanaiky ny heloka vitany izy tamin’ny famotorana natao azy ary naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ny alatsinainy teo. Tsy nisy tafaverina kosa ireo vola nangalariny.

Vanessa

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés