Manomboka eo amin’ny gymnase couvert ka hatrany amin’ny Saint Gabriel ireo mpanao ratsy no manao ny ataony. Efa talohan’ny fiatoan’ny mpianatra noho ny fipari tahan’ny aretina pesta io asan-jiolahy io ary mbola mitohy hatramin’izao. Manoloana ny sekoly Notre Dame, roa herinandro izay dia lehilahy telo no nanendaka mpianatra roa ary saika notsatohan’izy ireo tamin’ny antsy na meso ny mpianatra iray.
Telo andro taorian’io dia mpianatra iray koa no noravain’ny jiolahy enin-dahy, ka ny famataranandron’ilay zaza ihany no lasa tamin’izany. Manoloana ny Saint Gabriel indray dia ray aman-drenin’ny mpianatra iray no nahita jiolahy valo lahy ka misy iray mitondra meso. Mailo ilay ramatoa ary nanaraka tsara ny zanany ka ankizivavy hafa no nokotabaisin’ireo valo lahy ireo. Ray aman-dreny hafa koa no nitantara fa misy maka eny an-dalana ny kapa na ny kiraron-janany. Vangoin’ireo jiolahy ireo zaza rehefa mamaly tsy manome.
Efa misy polisy miambina eo amin’ny avenue des écoles
Araka ny nambaran’ny ray aman-dreny anefa dia tsy eo amin’ny avenue des écoles ihany fa any amin’ny Soeurs Immaculée Tsaramandroso sy Ceg Marcoz dia misy manendaka koa ny mpianatra. Misy ny mahita fa tsy mihetsika. Ny zoma teo dia mpianatra iray indray no voan’ny sinto-mahery manoloana ny sekoly Saint Gabriel ka vangovango no lasa. Tsy mifidy zavatra halaina ireo mpanendaka.
Ny famantaranandro, finday, kapa, kiraro hatramin’ny kitapo dia lasa avokoa… Tokony harahi-maso ireo zaza mpandrava. Manomboka amin’ny 16 ka hatramin’ny 24 taona ny salan-taonan’izy ireo araka ny fanazavan’ny lasibatra ka sarotra ny manavaka azy ireo amin’ny tena mpianatra. Tsy ny ray aman-dreny ihany fa mitaraina ihany koa ireo mpianatra. Voalaza fa misy mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina izy ireo. Misy moa sekoly efa mametraka paikady manokana, firesahana sy fanentanana ny ray aman-dreny haka ny zanany, hametraka ora fidirana sy fivoahana.
Ny talata teo dia efa nahitana polisy avy amin’ny Emmo securité niandry sy niambina ny fivoahan’ny mpianatra saingy araka ny nambaran’ny ray aman-dreny sasany dia ahiana tsy hahomby io tetika io. Polisy manao akanjo sivily mandehandeha anaty mpianatra no ilaina hitily ireo mpanao ratsy sy ahafahana misambotra azy ireo, hoy hatrany ireo ray aman-dreny.
Vanessa