Webradio

ONIVERSITEN’AMBONDRONA : Efa manomboka ny asa fanarenana

51 miliara Ariary ny tombana amin’ny fanarenana tanteraka ny simba amin’ny tranon’ny mpianatra ao Ambondrona.  9 février 2018

Natomboka ny alatsinainy teo io fanarenana io. Lamina iarahan’ny ministera sy ny oniversiten’i Mahajanga manatanteraka araka ny tondrozotra niarahan’ireo tompon’andraiki-panjakana natao tamin’ny faran’ny herinandro teo sy nampahafantarina tamin’ny haino aman-jery.

Efa samy manao ny asany ny orinasa sy ny oniversite ary ny ministera. Tsy maintsy atao io fanarenana io, hoy ny dokotera Robelson Rabiajean. Manampy mialoha ny fidiran’ny mpianatra amin’ny volana avril. Manampy araka izany azony atao ihany koa ny avy ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. 

Bloc dimy ao anatin’ny efa-bolana no tratrarina ary ezahina amboarina ihany koa ireo tranon’ny mpianatra. Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny mety ho vitan’ io volabe io raha toa ka ho azo daholo. Inoana fa ahafahana ihany koa manampy ny isan’ireo bloc fonenan’ny mpianatra satria dia vola be tokoa izany 51 miliara ariary na 255 miliara fmg.

Vanessa

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés