Webradio

NIVERINA INDRAY NY DELESTAZY : Mitaraina ny mpanjifa etsy 67 ha

Niverina indray ny delestazy eto an-drenivohitra tato ho ato. Mitaraina araka izany ny mponina ao amin’ny fokontany 67 ha Avaratra Atsinanana sy ny manodidina. Tsy mifidy  fotoana fa na andro na alina io dia ahitana izay fahatapahan’ny herinaratra izay  eny amin’ny faritra 67 ha. 12 février 2018

 «  Tapatapaka matetika ny herinaratra eto aminay ary manimba zavatra. Milaza anefa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Jirama fa tsy misy  ny delestazy. Raha izay no izy  inona ary ny fiantsoana an’ireny fahatapahan’ny jiro matetika aty aminay ireny  ? Tsy vitsy ny fitaovana simba vokatr’izay fahatapahan’ny herinaratra matetika izay nefa tsy hiantohan’ny orinasa Jirama  », hoy ny mponina. 

«  Na ovaina im-polo na injato ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama sy ny Minisitry ny angovo dia tsy ho voavaha ny olana ao amin’izany orinasa izany . Ny tena marina, izao fitondrana izao mihitsy no tsy mahavita azy  », hoy ny fanazavana nomen’ny renim-pianakaviana iray etsy 67 ha.


 A.Lepêcheur

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés