Webradio

LALANA MIHOTSAKA ANY AMIN’NY RN 7 : Haharitra iray volana ny asa  fanamboarana

Tato ho ato dia tsapa ho nanao be fiavy ny rotsak’orana teto Madagasikara. Teo ny fisian’ilay rivodoza “Dumazile” izay nananontanona an’i Madagasikara, fa eo ihany koa ny mbola maha fotoam-pahavaratra ny vanim-potoana ankehitriny ka mahabe ny rotsak’orana.  7 mars 2018

Na ilaina aza anefa izany rotsak’orana izany dia miteraka voka-dratsy maro ihany koa. Araka ny fantatra mantsy izao dia lalana iray ao Vatoavo, ao amin’ny lalam-pirenena fahafito mampitohy an’Ambalavao sy Fianarantsoa renivohitra iny no nahitana fihotsahana. Araka ny fantatra dia azo heverina ho mbola vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Ava farany teo no nahatonga izao. Araka izany àry dia elanelana eo amin’ny 1m 35 no hita amin’izany fihotsahana izany. 

Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ministeran’ny Asa vaventy tany an-toerana nijery ny zava-nisy. Izy ireo izay nitatitra fa efa manomboka ny asa fanarenana ka laharam-pahamehana amin’izany ny fanaovana fivilian-dalana na “Déviation” mba hahafahan’ny fiara mifamezivezy ka tsy hiteraka fahatapahana na fitohanana. Raha ny fanazavana hatrany dia eo amin’ny iray volana eo no hanatanterahana ny asa. Miankina amin’izay mety ho mbola fivadibadihan’ny toetr’andro izany ihany koa anefa no mety hahavitan’izany na tsia. 

Na izany aza anefa dia misy ny fanaraha-maso akaiky ny amin’izay mety ho mbola fihotsahana mba tsy hitera-doza, araka ny fanazavana hatrany. Efa hisy rahateo ihany koa ny fanadihadiana hatao mahakasika ny fikisahan’ity lalana ity, raha ny fanazavana hatrany. Rehefa fotoam-pahavaratra toy izao matetika malama ny lalana, ary mitranga ny resaka fihotsahan’ny tany ka aleo malina sy mailo hatrany, indrindra ireo mpampiasa ny lalam-pirenena.


Lucien R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés