Webradio

MIDONGY ATSIMO : Mirongatra ny fakàna an-keriny sy famonoana olona

Miaina ao anatin’ny tsy fandriam-pahalemana tanteraka amin’izao fotoana izao ny ao amin’ny Distrikan’i Midongy Atsimo, Faritra Atsimo Atsinanana ka tamin’ny angom-baovao voaray avy any an-toerana omaly maraina dia fantatra fa ny fakana olona an-keriny  sy famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana indray izao no malaza  efa ho volana maromaro izay.  8 mars 2018

Velon-taraina avokoa ny ankabetsahan’ny mponina ao amin’ity faritra ity noho ny fahaverezana fananana sy  famoizana ain’olona misesisesy. Raha toa ka tany amin’ny faritr’i Malaimbandy sy Mahabo iny teo aloha teo nahita tranganà fakana an -keriny matetitetika dia ity toerana ity indray izao no malaza amin’ny famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana. 

Vokatry ny fahalanian’ny omby  lasan’ireo dahalo  ankehitriny dia  ny fandrobana ireo olona mpanam-bola eo an-tanàna no paikady fanaon’ireo malaso. Tsy vitan’izay ihany anefa ny mampalahelo ireo mponina fa ireto olon-dratsy  sahy mandatsak’aina saingy tsy misy fandraisan’andraikitry ny mpitondra hatramin’izao.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés