Webradio

KITRA AMBOARAN’I AFRIKA : Handray ny ASPL 2000 amin’ny alahady 18 marsa izao ny Fosa juniors

Hisokatra aminy folo ora misandratr’andro ny vavahady be an’ny kianja Rabemananjara eto Mahajanga, izay handray ny lalao miverina hifanindrinan’i Fosa Juniors sy ny As PL avy atsy aminy nosy Maorisy.  15 mars 2018

Manatombo tamin’ny isa 2 noho 0 isika Malagasy taminin’iny lalao mandroso natao ny 07 marsa teo tany amindry zareo. Koa dia efa miandrandra vokatra tsara lavitra mihoatra ireny ny mpitia baolina kitra eto Madagasikara, hoy ireto farany, fa tsy hianona amin’io fandresena tamin’iny lalao mandroso iny ihany.

Mitodika eto Mahajanga avokoa ny mason’ireo mpankafy ny kitra malagasy aminy maha lalao iraisam-pirenena atao ity. Ary betsaka ireo avy any lavitra tonga hanotrona ny lalao ny Fosa, ny alahady 18 marsa ho avy izao araka ny tatitra voaray, koa dia miantso ny vahoakan’i Mahajanga iray vohitra i Nourdine, filohan’ny ligin’i Boeny mba ho tonga maro ary koa hanao fanamiana loko volom-boasary izay namantarana ny Fosa juniors hatramin’izay.

3 000 ariary ny vidim-pidirana tsotra raha 10 000 ariary kosa ny tribinina santraly, ary tsy misy ny tapakila fivoahana am-bahady ho an’ireo izay efa tafiditra. Ankoatra izay dia tsy azo itondrana tavohangy misy zava-pisotro misy alikaola ny ao anaty kianja, fa efa hita ao avokoa ny tsakitsaky sy ny sakafo isan-karazany hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Hentitra ny fitandroana ny filaminana aminy maha lalao iraisam-pirenena azy ity.

Mangataka ny fahendren’ny mpitia kitra eto Mahajanga ny mpikarakara mba tsy hioha-pefy amin’io andro ny alahady ho avy izao io. Koa dia mirary soa sahady ho an’ny Fosa junior izahay eto amin’ny Ino vaovao Mahajanga, hahaleo hahalasana amin’io lalao savaranonando miverina hihaonany amin’ny As PL Maorisianina io.

INVMGA.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés