Webradio

LOZAM-PIFAMOIVOZANA MAHATSIRAVINA : Lehilahy nitondra moto maty noraofin’ny fiara

Nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo dia natetitetika nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tamin’ny faritra By-pass iny fa ny mpitondra moto no tena maro tamin’izy ireo. 31 mars 2018

Lehilahy nitondra moto iray indray no namoy ny ainy tamin’ny alakamisy hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tetsy Alasora, araka ny loharanom-baovao. Voalaza fa potika mihitsy ilay moto ary nipitika niala ny arabe fa ilay lehilahy kosa nianjera teo amin’ny arabe ka maty tsy tra-drano. 

Raha ny fahitan’ ireo nanatri-maso dia avy niasa ary hamonjy fodiana ity farany satria mbola tazana teny aminy ny kitapony ary feno antotan-taratasy. Ankoatra ireo dia hita teny aminy ihany koa ny karapanondrony. Araka ny fitantaran’ireo nanatri- maso ihany dia fiara mpitatitra no nandona ity lehilahy ity ary noho ny tsy fitandremana dia niteraka izao loza mahatsiravina izao.

Nahitana fahasimbana ihany koa ny lohan’ilay fiara nahavanon-doza. Tsy nandositra toy ny  fanaon’ny sasany kosa ilay mpamily fa nijanona ary nandray ny andraikiny. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ihany koa ny fokonolona teny an-toerana. Tsara ihany raha mba mitandrina ny mpamily rehetra na ireo mpitondra moto izany na fiara mba hisorohana ny loza toy izao.


Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés