Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny fitaovam-piadiana fampiasany, basim-borona efatra, basy poleta 2, famaky sy antsy lava isan-karazany ary karazan’ody maromaro nifono lamba. Nisy foko nolona maromaro efa nanao vela-pandrika tamin’ny fisamborana dahalo any an-toerana ka anisany nahasamborana azy 13 lahy ireto izay nilaza fa mpanara-dia. Nikononkonona hanafika tao Apanasana anefa ireo malaso ireo. Nofehezina tady ny tanana sy tongotr’ izy 13 lahy ary notaritaritin’ny fokonolona nihazo ny tanàna, araka ny loharanom-baovao.
Tsy nampihatra fitsaram-bahoaka ny mponina fa natolotr’ izy ireo ny mpitandro filaminana tao an-toerana ireo malaso tratra. Nahitana vokany ny fiaraha-mientan’ny fokonolona tany an-toerana satria tena isany Faritra mafampana amin’ny asan-dahalo tokoa ny lalam- pirenena mampitohy an’i Bongolava sy Maintirano iny efa hatramin’ny ela. Matetika no misy fiara manao fitateram-bahoaka voatafika ary misy maty mihitsy aza ny mpamily. Mitaintaina lava ny mpandeha amin’iny lalam-pirenena mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano iny rehefa handeha satria tany lavitra andriana noho ny faha ratsian’ny lalana fa indrindra rehefa fotoam-pahavaratra.
Pounie