Raim-pianakaviana iray no nanohitra ireo malaso ka maty voatifitra nandritry ny fanafihana ary omby enina no voaroba tao Ankijanandralahady, fokontany Manarintsoa kaominina ambanivohitr’ Ankadinondry Sakay, distrikan’i Tsiroanomandidy tamin’ny talata alina hifoha alarobia lasa teo.
Raha ny tatitra voaray dia dahalo miisa efatra nirongo zava-maranitra toy ny fibara no niditra an-keriny tao an-tanàna ka teo am-pamoahana ny omby tamin’ny valan’olona iray dia nisy naheno ny mponina ary raikitra ny sakoroka. Namaly araka izay fara-heriny ny fokonolona tao an-toerana saingy tsy nampilefitra ireo dahalo izany ka raim-pianakaviana iray no nanohitra azy efa-dahy no notsindromin’ny iray tamin’ireo malaso tamin’ny antsy lava ka maty try tra-drano.
Tafaporitsaka ireo nahavanon-doza niaraka tamin’ny omby enina saingy tsy nanaiky izany ny fokonolona fa niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Tsy lavitra ny tanàna dia nifanena ireo mpanara-dia sy ny dahalo saingy nandositra izy ireo fa ny omby navelany teo ka tafaverina amin’ny tompony avokoa izany. Efa tsy mamaritra izay habetsahan’ny omby hangalarina intsony ny dahalo manao fanafihana any an-toerana ankehitriny.
Pounie