Izany dia hososohan’ny fampahafantarana ireo karazan-jo tokony hana nan’ny vehivavy malagasy, dia isan’ izany ny zo fototra amin’ny maha olombelona azy izay iraisany amin’ny daholobe. Eo koa ny zo tokony hisitrahany ao anatin’ny tokantrano, ny zo eo amin’ny asa aman-draharahany ary ny zo ho an’ny zanany. Marihina fa ireo ambaratongam-pahefana miadidy ireo lalàna velona eto Mahajanga dia ny avy ao amin’ny fampanoavana, ny fitsarana sy ny miandraikitra ny zaza tsy ampy taona no miara-manao tan-tsoroka ny fampitam-pahalalana ireo zo ho an’ny vehivavy amin’io fotoana io.
Ny 05 may izao kosa no hifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny tonon-taona vaovao ireto vehivavy eto Mahajanga ireto. Amin’io koa no hanaovana ny fisaorana manokana ho an’ireo fikambanam-behivavy miisa 250 tonga nanao ny diabe nandritry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ny faha 08 ny volana marsa lasa teo. Havoaka tsy ho ela ihany koa, hoy i Miza Anni, filohan’ny fikambanana ny karatra fanamarinana ny maha mpikambana ara-dalàna.
Efa hatramin’ny 8 000 mahery ny isan’ireo vehivavy mandrafitra ity KB8M ity amin’izao fotoana izao, izay sady mbola iantsoan’izy ireo ny rahavaviny sisa izay mbola tsy ao anatin’ ny fikambanana fa tsy mialonjafy izy ireo. Efa vita rindra ihany amin’izao fotoana izao ny fandaharam-potoana hoenti- mitsena ny fankalazana ny 26 jona nahazoan’i Malagasy ny fahaleovantena ka isany mpandray anjara mavitrika ny amin’izany ireto vehivavy ireto. Hitohy tsy ankiato aorian’izay ireo karazana hetsika maro loko hampivondronana ireo vehivavy ireo, izay sady ho fampialana voly azy no hoenti-misoroka ny kifosafosa izay tena areti-mandringana ho an’ny vehivavy, hoy hatrany ny filoha.
Etoana ary dia nanentana ireo vehivavy ihany koa ity farany mba hanjifa isan’andro ny gazety Ino vaovao faritra Mahajanga, mba hahafan’izy ireo manaraka ireo pitsopitsony maro samihafa momban’ ny fandaharam-potoana ho an’ny fikambanam-behivavin’ny 08 marsa.
INVMGA.