Nody ventiny ny rano natsakaina, koa dia harafitra ho boky tsy ho ela io paikady voarindra io, ka ny kaomitin’ ny fanoratana no hanao izany araka ny fandaharam-potoana. Fantatra io nandritry ny atrik’asa natao ny alarobia 28 marsa lasa teo tao amin’ny tranoben’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria tetsy amin’ny bord, niarahana tamin’ny tambajotra fiarovana ny zaza.
Ny ady amin’ny fampanambadiana ny zaza tsy ampy taona no tanjona, izay tena mahazo vahana amin’ny toerana rehetra na dia aty ambonivohitra aza, araka ny fanadihadiana nataon’ny minisitera mpiahy. Ho fisorohana ireo tranga mety hitera-doza dia ny fitondrana vohoka aloha loatra, ka tsy mbola tomombana akory ny taova entin’ireo zazavavy miteraka ary mety hiafara amin’ny fahafatesana mihitsy no antony nananganana ity kaomity iray ao aminy minisitera ity, hiahy ireo zaza ireo sy izay mety ho aro loza hisorohana izany tranga mamoafady izany.
Ny faritr’i Melaky no laharana voalohany, manana taha ambony indrindra hatramin’ny 63,06 isan-jato amin’io fampanambadiana ny zaza latsaky ny 18 taona io, raha 38,02 isan-jato kosa ny faritra Boeny ary 27,05 isan-jato ny ambany indrindra dia ny faritra Antsinanana. Mbola i Melaky hatrany no faritra ahitana ny taha ambony indrindra mitaha amin’ireo faritra 22 manerana an’i Madagasikara ho amin’ny fampanambadiana ny zaza mialohan’ny faha 15 taonany indray, ka mahatratra 27,03 isan-jato izany ho an’ny zazavavy hatrany no resahana eto, raha 10,07 isan-jato ho an’i Boeny ary 02,06 ny taha kely indrindra ho an’Itasy.
"Fiarahamonina miara-mientana amin’ny ady amin’ny fampanambadiana ny zaza tsy ampy taona" no fanambin’ity paikady voavolavola ity, izay hitohy tsy ankiato ny ady atao, hoy hatrany i Jogéa, talem-paritry ny mponina sy fiahiana ny vehivavy eto Boeny. Marihina fa ny Unicef na ny sampan-draharahan’ ny firenena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara no mpamatsy vola ity paikady voavolavola iray ity.
INVMGA.