Webradio

FAMPIASANA VOLA SANDOKA : Olona dimy nosamborin’ny polisy tany Mahajanga

Olona dimy no nosamborin’ny polisy rehefa nahatrarana vola sandoka Ar10 000, mitentina Ar40 000 eo. 5 avril 2018

Vehivavy ny ankamaroan’ireo olona voarohirohy ireo ary tao Tsara mandroso ambany izy ireo no tratra. Nentin’izy ireo tamin’ny toeram-pisotroana iray ireo vola sandoka ireo hisolokiana. Tsy teo ilay ramatoa tompon’ny dokany fa ny zanany no teo. Naka labiera iray ‘cageot’ izy ireo ny omalin’io, ary rehefa avy nisotro teo dia naveriny ny sasany fa tsy laniny hono ary nangatahany haverina ny vola. Ny ampitson’io indray dia nitondra vola Ar10 000 izy ary labiera kanety iray no novidiany. 

Mbola niverina indray avy eo ary mbola nitondra vola Ar10 000 hafa nividianana labiera kanety iray indray. Efa tamin’ny fahatelo vao tonga saina ilay zaza nitazona dokany ka nanontany hoe “aiza jiaby ireny ‘la monnaie’ nomeko anareo teo ireny”. Notsapainy ireo vola ka hitany fa vola sandoka.

Tsy afaka nanenjika izy fa niantso ny reniny nanao ny fitadiavana ireo olon-dratsy. Fisolokiana amin’ny alalan’ny fampiasana vola sandoka no nataon’izy ireo, ka norai sin’ny polisy fotsiny.   Efa voatazona eny amin’ny biraon’ny polisy ireo olona ireo atao famotorana.


Vanessa}

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés