Tsy diso anjara tamin’izany ny ao Bazary tranon-jiro Ankirihiry. Nahatsapa mantsy ireo mpivarotra fa anisany sakana tsy mamparisika an’ireo mpanjifa hitsofoka any anaty Bazary Tranon-jiro ny fiainan’ny mpangarom-paosy ka ilaina ny fisian’ny mpiambina.
Ny antoandron’ny zoma 6 avrily lasa teo, dia mpangarom-paosy roalahy no voasambotry ny mpiambina ny tsena teo am-panaovana asa ratsy.
Niaiky ny heloka vitany izy roalahy ary nilaza fa efa ela no naha mpangarom-paosy azy ireo.
Misy kosa ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy sy ny mpiambina ny tsena mba tsy hisian’ny fitsaram-bahoaka. Vokany, na dia nisy aza ny fikasan’andian’olona hanao fitsaram-bahoaka, dia voasakan’ny mpivarotra sy mpiambina ny tsena izany. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy roalahy.
Momba izay fandraisana andraikitra manoloana ireo mpanao ratsy ireo izay hatrany, dia tovolahy kalaza amin’ny halatra moto no nifa nenjehan’ny polisy sy fokonolona ny sabotsy lasa teo. Sarona tao Tsarakofafa ilay tovolahy niaraka tamin’ilay moto nangalariny avy tao Ankirihiry.
Kamy