Ritra ny loharano, tafahoatra ny hafanana, misy ny haintany, tondraka ny rano, mikorontana ny rotsak’orana. Misy fiantraikany ratsy amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ekonomikan’i Madagasikara izany, ka mahatonga ny fanjakana hanao laharam-pahamehana ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Maro ny asa tanterahina ho amin’izany ka anisan’izany ny ‘fampifanarahana ny fiainan’ny mponina any amin’ny faritra morontsiraka manoloana ny fiovan’ny toetrandro’. Tanjona iombonan’ireo tetikasa ny fampahafantarana sy fanentanana ny mpitondra sy ny mponina. Tao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena no natao io fampahafantarana io teto Mahajanga.
Nandritra io hetsika io dia nisy ny fampirantiana nataon’ireo mpisehatra, ny loabary andasy izay nandraisan’ny birao nasionaly mpandrindra ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro anjara, ny fifaninanana samihafa mikasika ny fiovan’ny toetrandro sy fiarovana ny tontolo iainana nataon’ireo mpianatra. Nandritra io hetsika io ihany koa dia nisy ny fizarana fitaovana sy masomboly mahazaka ny fiovan’ny toetrandro ho an’ireo mpahazo tombotsoa anatin’ny tetikasa ; izay mikendry ny hampihena ny faharefoan’ny mponina sy hanamafy ny fahafahan’izy ireo miatrika ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Vanessa