Lavanila tsy matoy milanja 17kg mahery no tra-tehaka tamin’ilay lehilahy ary tafaporitsaka kosa ny namany. Efa niakatra fampanoavana ao amin’ny Tribonalin’Antalaha ny nahavanon-doza ary mbola karohina ilay namany hatramin’izao.
“Mpamosavy malemy ka ,ny ao an-trano ihany no aripaka”. Araka ny fampitam-baovao voaray dia an’ny ray aman-dreniny io lavanila nangalariny io. Maty ny rainy ka tamin’ny fotoanan’ny fiaretan-tory izy sy ilay namany no nanararaotra nangalatra. Tsy ny teo amin’ny tanimbolin’izy ireo irery anefa no nalainy fa niampy ny an’ny olona nifanila teo akaiky, izay fianakaviany ihany.
Nisy nahatsikaritra izany ka avy hatrany dia niantso ny mponina tao an-toerana ity farany ka raikitra ny fifanenjehana ilay tovolahy sy ny namany mpiray tsikombakomba taminy. Tafaporitsaka anefa ny namany fa izy tompon-tany no tra-tehaka niaraka tamin’ny vokatra efa azony tao anaty gony. Noentin’ny fokonolona natolotra ny mpitandro filaminana avy hatrany ny nahavanon-doza niaraka tamin’ireo lavanila maitso nangalariny.
Tsy nangatak’andro ny zandary tao Vohemar fa ampitson’iny ihany dia tsy maintsy nopotehina teo imason’ny Sefo Fokontany sy tompon’andraikitra avy ao amin’ny distrika sy ireo mpitandro filaminana ireo vokatra ireo. Voatery manatanteraka paikady mba hisorohana ny halatra lavanila ity ny mpitandro filaminana any amin’ny Faritra Sava ankehitriny satria efa tsy ho ela akory ny fotoam-piotazana lavanila any an-toerana.
Pounie