Webradio

VICTORIEN JOSEPH ESOAEL : Lehilahy iray karohina fatratra, nangalatra vola 70 tapitrisa ariary

Lehilahy iray  voalaza fa efa toy ny zanaka an-trano, monina eny  Analamahitsy   no fantatra tamin’ny angom-baovao omaly maraina  fa tsy hita popoka niaraka amin’ny volabe nanomboka tamin’ny  27 marsa 2018 lasa teo  iny. 11 avril 2018

Victorien Joseph Esoael na i Soaly no fiantsoana azy ary zanak’i Rasoarivelo Théonie Shela izy io rehefa nandeha ny fanadihadiana.  Marihina moa fa fianakaviana no nipetrahany teto an-drenivohitra saingy izao nivadihany tamin’ny fotoana tsy nampoizina izao. Vola mitentina  70 tapitrisa ariary any ho any  no nentiny nitsoaka  raha ny voalazan’ireo fianakaviany, izay  vola nangonina saika halefa any ivelany hanatanterahana fitsaboana olona tsy salama.

Nohamafisin’ireto fianakaviany  hatrany fa efa nametrahana fitokisana tanteraka  ity lehilahy ity tao an-tokantrano, hany ka tsy nisy niafina taminy ny zava-miseho rehetra. Akory anefa ny hatairan’ny rehetra raha toa ka tsy hita izay nalehany, niaraka tamin’io lelavola io rehefa tsy nisy olona tao an-trano. Tamin’ny fotoana nanaovana ny fitsirihana rehetra ihany koa dia voaporofo fa  mbola tao avokoa ny fananany rehetra ary nahitana fanafody gasy  sy fonosana rongony. 

Hatreto aloha dia mbola eo am-pikarohana fatratra ity lehilahy ity ny rehetra ka misy ny fiaraha-miasa  amin’ny Polisin’ny boriborintany fahavalo. Mbola tsy fantatra mazava ihany koa ny ao ambadik’izao tranga izao. Andrasana ny  fivoaran’ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés