Webradio

FIFAMONOANA TAO ANATY TAXIBE : Lehilahy voalaza ho « Polisy » nidaroka sy nanambana basy tovolahy iray

Talanjona ny rehetra omaly maraina raha nahita tovolahy iray nilaza handeha hianatra novonoin’ny rangahy iray voatonona ho Polisy.  11 avril 2018

Fiara mpitatitra laharana 182 teo Ampefiloha  no nitrangan’ity famonoana ity ary  avy hatrany dia sahy nanambana basy ny iray ka nidaroka mafy ity tovolahy. Naratra mafy izy io tamin’izay fotoana izay ary tsy fantatra mazava izay tena anton’ilay ady ka tsy misy sahy niditra ny fifandirana. 

Ny rehetra ihany koa natahotra ity nitondra basy satria toa milaza ho Polisy ary tsy nisy nahalala izay niavian’ny fifandirana rahateo. Misy ireo olona sasany no  nilaza fa noho  ny fifampisisihana  teo amin’ny fidiran’ny fiara no nahatonga ny ady. 

Avy hatrany moa dia noentina teny amin’ny Hjra ity zazalahy ity ary fantatra ihany koa fa  saika handeha hianatra teny  amin’ny Ispm no tena anton-diany tamin’io omaly maraina io. Ity namono kosa lasa tsy hita ka mbola nifampitadiavana indray nony avy eo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés