Tsiahivina fa nandritra ny andron’ny 8 marsa lasa teo dia nisesy ny andro ratsy ka voatery nahemotra izany ka ny sabotsy 7 aprily teo vao tanteraka ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ho an’ireo andriambavilanitra tao amin’i Nosy manitra.
Diabe namakivaky ny tanàna, izay nanomboka teo amin’ny château d’eau Ambarakatsaka izay niafara teo amin’ny tany malalaky ny Prefet tao an-toerana no nisantarana ny lanonana. Ny minisitra ny fampananan’asa, ny fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa no tonga tao an-toerana nanome voninahitra ny lanonana.
Fikambanana miisa 147 no nandray anjara nanatevin-daharana tamin’ny diabe.
Zava-dehibe ny fananganana ny ivon-toeram-piofanana ho an’ny vehivavy mba hanana traikefa, araka ny nambaran’ny minisitra. Ho an’ny Nosy-Be manokana dia efa misy ny fananganana izany ivon-toeram-piofanana izany ary heverina fa hatomboka ny fanokafana ny taom-pianarana 2018-2019. Izay vao tontosa ny fankalazana ny andron’ny vehivavy tao Nosy- Be ny sabotsy teo. Samy afapo ireo vehivavy tao an-toerana izay niara-nifety tamim-pilaminana.
Mpanjono