Ny 7 avrily no daty nosafidin’ny Oms nanamarihana io andro iraisam-pirenena io. Tamin’ity taona 2018 ity dia feno 70 taona ny nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana. Ho an’i Toamasina manokana, nisy diabe niainga avy teo anoloan’ny Crjs nandalo tao Tanambao V sy Bazary Kely, Hopitaly Kely ary niverina teo anoloan’ny Crjs ihany.
Narahina dihy mirindra sy zumba izany avy eo. « Fahasalamana ho an’ny rehetra », io no lohahevitra tamin’izao 7 avrily 2018 izao. Nisongadina nandritra ny fanentanana fa mbola maro ireo olona manadino ny maha zava-dehibe ny fanaovana fanatanjahan-tena ka izany no nahatonga izao diabe sy dihy mirindra izao. Noho ny adidy aman’andraikitra sahanina isan’andro, dia tsy mba manokana fotoana anaovana fanetseham-batana ny ankamaroan’ny olona. Nampahatsiahivina nandritra io fotoana io fa zava-dehibe ho an’ny fahasalamana ny fanaovana fanatanjahan-tena.
Nahaliana ireo rehetra tonga niatrika izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana izao koa ny fanaovana fitiliana diabeta maimaimpoana. Raha olona 300 no novinavinain’ny mpikararaka hanao fitiliana, dia tafakatra avo roa heny izany. Fantatra nandritra izany fa ny ¼n’ny olona nandalo fitiliana dia nahitana soritra fahabetsahanan’ny siramamy ao amin’ny vatana avokoa. Ankoatra io fitiliana diabeta maimaimpoana io dia nisy ny fitiliana tsimok’aretina Vih/Sida, ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny fametrahana fanabeazana maharitra ary ny fitiliana areti-maso ‘cataracte’ sy ny ati-mason’ireo olona diabetika.
Nampahafantarina nandritra io andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana tao Toamasina io koa ny hisian’ny fanaovam- bakisinin’ny lefakozatra ny 23 hatramin’ny 25 avrily izao. Hetsika andiany faha-13 ho an’ny minisiteran’ny fahasalamana.
Kamy