Webradio

SOANIERANA - IVONGO : Tsy mety vita ny famindram-pahefana eo amin’ny lehiben’ny distrika

Nosoloin’ny fitondrana ny lehiben’ny distrika ao Soanierana- Ivongo. Fanoloana izay efa nandrasan’ny vahoaka tao an-toerana efa ela. 11 avril 2018

Fitarainana maro mantsy no efa nataon’ny mponina any an-toerana ny amin’ny tokony hanesorana an-dRasolofo Louis. Ny filan-kevitry ny minisitra ny 28 marsa lasa teo no nanendry an’i Maharitra Dyno Franck ho lahiben’ny distrikan’i Soanierana-Ivongo.

Araka ny vaovao marim-pototra voaray avy any Soanierana-Ivongo anefa, dia mitsoaka famindram- pahefana ny lehiben’ny distrika teo aloha, Rasolofo Louis. 
Ny zoma 6 avrily lasa teo no daty voatondro hanaovana ny famindram-pahefana saingy tsy nipoitra mihitsy ilay lehiben’ny distrika teo aloha.

Nilaza izy fa marary. Ny mahagaga ny maro anefa, dia ny alin’iny ihany dia hita ao anaty toeram-pisotroana.

Ny olana anefa, dia any aminy ny lakilen’ny birao fiasan’ny lehiben’ny distrika. Hatramin’ny fotoana nano ratanay ny lahatsoratra (alatsinainy antoandro), dia mbola tsy vita ny famindram-pahefana. Efa leo amin’ny fihetsika feno fanafintohinana ataon’ny lehiben’ny distrika teo aloha io ireo vahoaka ao an-toerana ka miantso ny fanjakana foibe mba handray fepetra. Sahirana mantsy ireo mila raharaha ao amin’ny biraon’ny distrika.


Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés