Webradio

ANTOKO POLITIKA : Miroborobo hatrany ny isan’ireo mijoro eto Madagasikara

Tsy mitsaha-mitombo hatrany ny isan’ireo antoko politika tafajoro eto Madagasikara.  11 avril 2018

Raha tsiahivina dia efa nisy ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana tamin’ny nanafoanana ny sasany tamin’izy ireo noho ny fitsanganany tsy ara-dalàna. Na izany aza anefa dia mihamaro hatrany ary maro mihitsy ny isan’ireo antoko politika efa tafajoro izay mahatratra aman-jatony. 

Ho an’ny antoko Unrrm manokana dia efa tamin’ny taona 2014 no nahazo fankatoavam-pijoroana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany. Tsy dia re firy teo amin’ny tontolon’ny politika izy saingy nampahafantarin’ireo mpikambana fa mijoro ara-dalàna. Anisany asa nisongadina efa vitan’ity antoko ity ny fanolorana soson-kevitra sy fandraisana feno tamin’ireo atrikasa mikasika ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna hifehy ny fifidianana tamin’ny taona lasa iny. 

Atrikasa izay niarahany tamin’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana sy ny Pnud. Ankoatr’izay, efa nisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpikambana ka teo anivon’ny boriborintany fahaenina teto Antananarivo no anisany nisitraka izany. Efa nisy ihany koa ny fandraisana anjara nataon’ny Unrrm nandritra ny loabary an-dasy ho fanorenana sy fanarenana ny firenena niaraka tamin’ny faribolana mpandinika ny fiainam-pirenena na ny Cram izay natao manerana an’i Madagasikara. 

Araka ny vaovao voaray, hivoaka amin’ny fahanginany amin’izay ary hitondra ny fanehoan-keviny momban’ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko, Rajerison Nicole Véronique ato ho ato miaraka amin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao mpanatanteraky ny antoko.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés