Webradio

SALAZAMAY ATSIMO - TOAMASINA : Rangahy iray matin’ny hanoanana ny talata 10 avrily lasa teo

Mibaribary ny hantsana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Raha migoka volabe vokatry ny tsangan-tanana fotsiny ireo depiote  79, etsy ankilany kosa malagasy maro no zara fa mihinana ary misy mihitsy ireo tsy mahita harapaka intsony. 12 avril 2018

Nahitana tranga maneho izany tao Toamasina ny talata 10 avrily lasa teo. Rangahy iray manao asa fiambenana no maty nitsirara tao Salazamay Atsimo. Ny angom-baovao no nahalalana fa 60 taona izy io ary monina ao Analankininina Hopitaly Be. Niantso ny polisy sy ny Bmh eo anivon’ny Kaominina ny fokonolona vantany vao nahita ny razana. Nofantarina ny antony nahafaty azy. 

Araka ny fanazavana nentin’ny mpitsabo avy eo anivon’ny Bmh, dia matin’ny hanoanana ity rangahy ity. Tranga izay tokony hahamenatra izao fitondrana Hvm izao. Ny filoha izay nihirahira fotoana vitsivitsy lasa izay hoe  : «  Porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy  ». Ny mpanohana azy sasany aza dia sahy mandatsa fa «  tonga isam-baravarana ny fisandratana dradradradrain’ny Filoha  ». 

Porofo iray mivaingana anefa izao fa latsaka lalina ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka ka na sakafo harapaka aza efa manahirana ka ao ny maty vokatr’izany tahaka io niseho tao Toamasina tamin’ny talata io.


Kamy


SALAZAMAY ATSIMO - TOAMASINA
2018-04-12 20:20:20 par bordeaux 3300

Ino mon fisandratana fisandratana tsis fotony ity.ampagnantenaina raha tsy hainy fanatanterahana NY vahoaka.àla bato ipetrahan io 2 mandat fa tsis vahoaka misy fagnahy hifidy azy am 2030 .vendragna zalahy filoha ity eeeh !!!tsis raha ilagna azy fa hiarovan i emoreg mafy mpitondrn NY kolikoly .


SALAZAMAY ATSIMO - TOAMASINA
2018-04-12 20:20:56 par bordeaux 3300

Ino mon fisandratana fisandratana tsis fotony ity.ampagnantenaina raha tsy hainy fanatanterahana NY vahoaka.àla bato ipetrahan io 2 mandat fa tsis vahoaka misy fagnahy hifidy azy am 2030 .vendragna zalahy filoha ity eeeh !!!tsis raha ilagna azy fa hiarovan i emoreg mafy mpitondrn NY kolikoly .

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés