Webradio

ADY AMIN’NY HERISETRA SY FANOLANANA : Tontosa tao Andramasina ny hetsika fiarovana ny zon’ny ankizy

Manoloana ny tranga misesisesy mahakasika ny herisetra tsy tambo isaina mpahazo ny ankizy amin’izao fotoana izao dia voaporofo tamin’ny loha ranom-baovao voaray  avy  tao amin’ny Distrikan’Andramasina fa anisany  miady hatramin’ny  farany ny fametrahana sy fanatsarana ny zon’ny ankizy izy ireo. 13 avril 2018

 Hita nibaribary tamin’ny hetsika nataon’ny mponina, notarihan’ny Lehiben’ny    Distrika, Radaniela Andriamihaja  Jaona   izany  ary nosokafana afak’omaly tontolo ny dinidinika sy fankalazana. Fivorian-dehibe no natao tamin’izany ka ny “Rafitra najoro hanatsarana ny zon’ny ankizy no tena anisany tompon’andraikitra tamin’ny fanatontosana izany, izay natrehan’ny besinimaro toy ny solon-tenam-piangonana, mpanabe, olom-pirenena tsotra ary ny teo anivon’ny fokontany.

Zava-dehibe maro no voadinika tamin’io fotoana  io ka ny fiadiana ny zon’ny ankizy no tena nomasahina. Hita tamin’ny lohahevitra  hoe “Isika rehetra miara-mientana miaro ny zon’ny ankizy”.  Nomarihan’izy ireo tamin’io fotoana io hatrany  fa  nijoro ara-dalàna tamin’ny faha 20 septambra 2016  ny fisian’ity rafitra miaro ny zon’ny ankizy ity tao amin’ny Distrika ary manana tanjona goavana hampivoarana ny tanora sy ankizy ao amin’ny Faritra ireto farany. 

Ankoatra izay dia tompon’andraikitra  ny olona rehetra  manoloana ny fomba fiainana ankehitriny  satria maro loatra ny zava-misy iainan’ireo zaza madinika  tsy ampy taona. Ohatra amin’izany ny tranga  fanolanana etsy sy eroa eny anivon’ny fiarahamonina, ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ny famonoana ankizy amin’ny tsy ara-drariny ary ny maro  hafa izay hita tokoa fa manome fangirifiriana ireo ankizy. Natao tao an-toerana moa ity hetsika sy fivoriam-be ity mba hanairana ny rehetra sy ho fanamafisana orina ny tetikasa sy ny rafitra napetraka efa novolavolaina hatramin’ny nijoroany tao an-toerana.  


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés