Nahita ity karazana trondro ity ho mora vidy ireo fianakavina ireo ka nividy azy io tao amin’ny tsenan’Ambohimandamina. Fotoana fohy taorian’ny nihinanan’ity fianakaviana ity ilay trondro dia narary sy nalemy avokoa izy ireo ary tsy afa-nitsangana. Voalaza fa anisan’ireo mihinana lomotra ao anaty rano ity kazan-dranomasina ity. Zaza 10 tona ny iray tamin’ireo olona nihinana ity trondro mihinana poizina ity.
Voatery nampidirina hopitaly ao amin’ny Csb Antanambao-Sotema ireo fianakaviana narary. Taorian’ ny fahavoazana nahazo ity fianakaviana ity dia nandray fepetra ny sampan-draharaham-paritry ny jono sy ny harena anaty rano ao Boeny fa hanao fitsirihana ireo mpivarotra trondro rehetra eny an-tsena ary handray fepetra ho an’ireo izay mivarotra ireo karazan-trondro hampitera-doza ny mponina.
Nalaina ihany koa ireo trondro amborodo-dranomasina ireo natao fitiliana eny amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka izay ahafahana mamantatra ny tena nahatonga ireo olona narary.
Tolin