Webradio

BEFOTAKA - MIDONGY ATSIMO : Dahalo efatra matin’ny zandary, omby 800 isa lasa

Nahery ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny zandary tany Befotaka- Midongy Atsimo ny alakamisy hifoha zoma ary mbola mitohy ny fanenjehana tamin’ny fotoana nanoratanay. 16 avril 2018

Nandravarava tanteraka ny malaso tao Befotaka ka omby miisa 800 isa no lasan’izy ireo nandritry ny fanafihana tanàna. Teo am-pandosirana anefa izy ireto no nanohitra ny fokonolona sy zandary ka raikitra ny fifampitifirana ary nahalavo ny efatra tamin’izy ireo niaraka tamin’ny basy fampiasany. 

Voalaza fa tsy nisy naninona kosa ireo mpanara-dia na teo amin’ny fokonolona izany na ireo zandary miady manokana amin’ny asan-dahalo any amin’ny Faritra Atsimo. Na nisy voatifitra aza izy ireo dia tsy nahasakana ny fanohizan’ireo malaso aman-jatony nanohy ny lalany sady nitondra ny omby izany. Tsy niverin-dalana ihany koa anefa ny mpanara-dia fa niroso hatrany izy ireo. Voalaza fa nivoaka ny lalana mihazo an’i Betroka ireo dahalo niaraka tamin’ny omby miisa 800.


Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés