Webradio

WEDNESDAY MORNING GROUP : Tontosa ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo Mpitantana

Fikambanana iray eto Madagasikara  anisany mpanohana goavana  ireo sahirana sy osa ara-pivelomana ny fikambanana “ Wednesday Morning Group”,izay efa nijoro 55 taona lasa izay.  3 mai 2018

Manoloana ny fitantanana sy fikarakarana mandritra ny fe-potoana 2018-2020   indray àry dia vita afak’omaly tetsy amin’ny Sspace Sahamaitso Nanisana ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo filohan’ny Fikambanana.

Ramatoa Marcelle Robinson Radilofe àry no nambara ofisialy io afak’omaly io fa  hikolokolo ny fitantanana mandritra izay roa taona izay. Nohamafisiny tamin’ny lahateniny  fa “ny fitsinjovana ny reny sy ny zaza no tena hifantohany bebe kokoa mandritra ny fotoampiasany”. Izany hoe hisy ny fanaraha-maso amin’ny lafiny ara-pahadiovana , ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Fampandrosoana sy fampivelarana ny reny sy ny zaza araka izany no tena hasongadina. 

Efa tanjon’ny fikambanana hatramin’izay moa ny fijerevana ny madinika  sy ny fitsinjovana ny hafa mba hampivoarana azy ka tsy miala manodidina ireo ny volavolan’asa tanterahina . Maro ireo vehivavy no miara-misalahy amin’ity  fikambanana miahy ny ara-tsosialy ity ka isany mavitrika ao anatin’ izany Ramatoa vadin’ny Filoha tale Jeneralin’ny vondrona orinasa Sodiat Haingo Ravatomanga.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés