Webradio

FAMPISEHOANA NISEHOAN-DOZA : Olona telo maty, am-polony naratra tamin’ny fifanosehana tao Ambatondrazaka

Tovovavy roa sy tovolahy iray maty voahitsakitsaka nandritra fifanosehana teo ambava hadin’ny Espace Laza ao Ambatondrazaka, ny alatsinainy hariva teo. 3 mai 2018

Am-polony kosa ireo naratra tonga teny amin’ny hopitaly ao an-tanàna, ka ny efatra tamin’ireo dia miady amin’ny fahafatesana raha toa ka ny alin’io ihany dia afaka nody izay nahazo fitsaboana sahaza azy. Raha ny loharanom-baovao dia i Jean Aimé sy Elidiot no nanatanteraka fampisehoana tao an-toerana.

Voalaza fa taorian’ny fampisehoana handeha hody iny indrindra no raikitra fifanosehana teo am-baravarana fivoahany ka nahatonga ny loza namoizana aina izao. Voalaza fa noho fahataran’ny famoahana ny vavahady be fivoahana no niteraka ny fifanosehana sy fifanjevoana ary fifanitsakitsahana ka namoizina ain’olona sy naharatrana olona maro izao. 

Fifanjevoana tao amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambatondrazaka nandritra fiton drana ireo naratra satria tsy naharaka ihany koa ny mpitsabo tao an-toerana noho ny habetsaky ny olona naratra sy liana tamin’ny zava-nitranga. Araka loharanom-baovao dia tsy vao sambany fa matetika isehoana tranga mamohehatra toy izao ny fampisehoana atao any an-toerana ary misy aina afoy ihany koa.


Pounie  
             

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés