Lehilahy iray tokony ho 45taona eo no hita faty ka nanaitra ny fokonolona. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nisy nahita nitsirara tao anaty tanimbary teny amin’ny manodidina izy io. Nisy nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana avy ao Ambatofotsy.
Avy hatrany dia nidina ifotony izy ireo niaraka tamin’ireo mpitsabo teny amin’ny Csb II mba hizaha ny vatana mangatsiaka. Fantatra tamin’izany fa Rakotomavo Jean de Dieu no anaran’ity namoy ny ainy,ary zanaky Razafibe sy Razafinandrasana. Rehefa navadi- badika ihany koa ilay razana dia voaporofo fa noho ny fahamamoana diso tafahoatra no nahatonga azy namoy ainy.
Taorian’ny fikarakarana rehetra nataon’ny zandary sy ny fizahana dia efa eo am-pelatanan’ny fianakaviany itsy farany raha ny tatitra voaray hatrany .
Tatianà R.