Efa nahazo ny anjarany ny lycée technique, lycée Philibert Tsiranana sy ny Charles Renel. Nanolotra tablety miisa 50 ho an’ny sekoly ihany koa ny minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra Neypatraiky mivady.
Nambaran’ity minisitra ity moa fa ny sekoly Notre Dame no nitaiza sy nampianatra ary nanabe azy. Afaka anaovan’ireo mpianatra fikarohana samihafa no afaka ampiasainy hamakiana boky ihany koa ity tranomboky niomerika ity. Inoana, hoy ny mpanome, fa hisy fiantraikany amin’ny valim-panadinan’ny mpianatra izao fanomezana izao.