Lasa mivaona tanteraka ny fomba fampiasana ilay tambajotra ka ao no lasa toerana iray hifampiantsiana ady, ankoatra ny fisolokiana sy ny maro hafa. Tranga tsy misy valaka amin’izay no niseho tao Sambava, herinandro lasa izay . Ramatoa iray vadinà olom-boafidy no niharan’ny tsy rariny tamin’ izany satria nanazava fa nisy nanompa tao anaty fanehoan-kevitra ny tenany.
Marihina anefa fa “ kaonty miafina sy tsy fantatra ny nanao izay zavatra izay raha ny fanampim-panazavana ihany. Avy hatrany dia nitondra ny raharaha teo anivon’ny mpitandro filaminana itsy farany mba hanao ny famotorana . Vao vatany nandray izay fitarainana izay anefa ireto mpanao famotorana dia efa nahatsinjo ny zava-misy fa kaonty tsy tena izy no nentina nampiasaina hanompana olona. Izany hoe entina hanaovana sotasota fotsiny ilay kaonty raha ny tena marina.
Tsy nananosarotra ireo Polisy ny nahitana ny nahavanona izany, vokany tovovavikely iray nipetraka tao Ambodisatrana Sambava no voasambotra. Taorian’ny fisamborana azy dia ny 03 mey 2018 lasa iny ny fanadihadiana azy tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha. Manoloana izay dia notanana vonjimaika any am-ponja aloha ity tovovavy ity mandrapahatonga ny fotoam- pitsarany.
Tatianà R.