Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ao an-tampon- tanàna ny niharam-boina, ankehitriny, ka miady amin’ny fahafatesana, raha ny tatitra voaray farany. Voalaza fa nidiran’ny jiolahy an-keriny tao amin’ny tokantranon’ity mpamboly voatafika ity . Tsy nijery fotsiny anefa ny tovolahy nandritra ny fanafihana fa nanohitra ireo dahalo, ka izy indray no lasibatr’ireo olon-dratsy tamin’ izany.
Norobain’ izy ireo avokoa ny vola sy entana rehetra tao amin’ity tokantrano ity ary nandositra izy ireo avy eo. Mbola tafantso vonjy ilay niharam-boina, ka nahare izany ny mponina manodidina dia nikoropaka namonjy azy. Io alina io ihany dia nitondra ity farany any amin’ny hopitaly ao Belo Tsiribihina ny fokonolona. Voalaza fa mipetra-drery ny tovolahy ary ny fambolena no tena antom-pivelomany. Raha ny vaovao voaray farany dia mbola tsy mahatsiaro tena ny lehilahy, omaly maraina, fa efa manao izay azony atao kosa ny mpitsabo ao an-toerana.
Valy faty no ahiana ho nahazo ity tovolahy nisy namono ity satria nisy ny disadisa tamin’olona izy, hoy ny fianakavian’ny niharam-boina.
Pounie