Nambaran’ireo solombavambahoaka fa efa fandresena lehibe ho an’ireo mpitolona iny didy navoakan’ny Hcc ary efa midika sahady fa misy ihany ny fihainoana ny feon’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fitoriana izay napetrak’izy ireo teny anivon’ity andrim-panjakana ity amin’ny maha tsy ara-dalàna an’iny lalàm-pifidianana iny. “Mitohy ny tolona ary tsy mijanona izany raha tsy rava tanteraka ny rafitra hvm”.
“Misy milaza hoe nivoaka ny didin’ny Hcc ary efa nahazo ny tianareo ianareo dia mijanona ny tolona. Tsy izany mihitsy no izy, misy olona tsy maintsy miala miaraka. Voalohany indrindra ny Filohan’ny repoblika, manaraka ny Praiminisitra sy ny governemanta ary ny filohan’ny antenimierandoholona sy ny antenimierampirenena, mialà avokoa”, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa raha nitafa tamin’ny vahoaka ny sabotsy lasa teo.
Araka ny nambarany dia samy tompon’andraikitra feno tamin’ny fandaniana amboletra ilay lalàm-pifidianana ireo rehetra ireo ary tsy misy ho afa-bela fa tsy maintsy miala amin’ny toerany avokoa. Omaly nitohy hatrany ny hetsika tamin’ny famoahana ireo mpiasan’ny minisitera, ka ireo mpiasam-panjakana teo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika no navoakan’izy ireo.
Avotra Isaorana