Webradio

FANODIKODINAM-BOLAM-PANJAKANA : Tsy ho afa-bela i Solonandrasana Mahafaly Olivier

Notanterahina, omaly, teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra vaovao Ntsay Christian sy ny praiminisitra teo aloha, Solonandrasana Mahafaly Olivier. 7 juin 2018

Ity farany izay ohatry ny mbola nanome toky fa mbola hiverina amin’ny  fitantanana ny raharaham-pirenena tsy ho ela. Mazava araka izany fa tsy mihevitra ny mety hisian’ny arakaraka ingahy Solonandrasana Mahafaly Olivier noho ny zavatra maloto maro nataony nandritra ny 2 taona naha praiminisitra sy taona maro naha minisitry ny Atitany azy. Iaraha-mahafantatra, ohatra, fa voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana nataon-dRazaimamonjy Claudine ingahy Solonandrasana Mahafaly Olivier. 

Na tiany na tsy tiany tsy ho afa-bela amin’io raharaha io ity farany. Efa nametraka fitoriana momba azy any amin’ny Fitsarana  mikasika izany rahateo ireo depioten’ny fiovana ka andrasana ny mety ho tohiny. 

Maro ny zavatra maloto nataon’ingahy Solonandrasana Mahafaly Olivier sy ny fanamparam-pahefana nataony nandritra ny fotoana naha praiministra azy ary vola tsy toko tsy forohana no nangoniny teo. Isan’izany ireny vola amina miliara nisy nangalatra tao an-tranony ireny. 

Nandà mafy ingahy praiministra teo aloha nefa niaraha-nahafantatra fa efa voasambotra ary naiditra am-ponja ilay olona nangalatra izany volabe izany sy ireo namany. Matoa mandà, tsy mazava ny fiavian’iny volabe iny. Tokony hanadihady fatratra momba izany ny Bianco. 

Mbola lava ny lisitra mikasika ny raharaha maloto nataon’ingahy Solonandrasana Mahafaly Olivier nandritra ny fotoana naha praiministra azy ary hotaterinay eto amin’ny fotoana manaraka. Fotoanan’ny fiovana izao ary lany daty ny tsy matimanota.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés