Webradio

TSY FANDRIAMPAHALEMANA AO BETANATANA : Nitroatra ny mponina, leo amin’ny asan-dahalo

Nitroatra ny vahoakan’i Betanatana sy Ankisatry noho ny firongatry ny asan-dahalo ao amin’izy ireo, ka nanao rodobe niakatra ao an-tampon-tanànan’i Maintirano renivohitr’i Melaky, omaly maraina.  7 juin 2018

Nitety ny biraom-panjakana ao an-toerana izy ireo, omaly, nanao fanairana manoloana ny zava-misy any amin’ny kaominina misy ireo mponina. Saika efa ho isan’andro ny asan-dahalo sy halatr’omby ao amin’ireo kaominina ambanivohitr’i Maintirano ireo, raha ny fampitam-baovao voaray ka izany indrindra no nampihetsika ireto farany. Miha lany ny omby ao amin’ ireo kaominina lasibatra ireo, mihorohoro sady mandry tsy lavoloha ny mponina noho ny asan-dahalo mahery vaika. 

Mahazo vahana mihitsy ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Maintirano iny tato ho ato. Tsy nisalasala kosa ireo tompon’andraiki-panjakana ao Maintirano fa nihaino sy nandray ireto vahoaka sahirana. Tsy niandry ela fa omaly antoandro dia nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ny  tompon’andraiki-panjakana miandraikitra mivantana ity tranga ity ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka. Tamin’ny fotoana nanoratanay dia mbola tsy vita ny fivoriana, noho izany mbola tsy fantatra ny valan-dresaka na ny fifanarahan’ ny roa tonta.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés