Webradio

DEPIOTE NAMADIKA PALITAO : Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny Hcc ?

Taorian’ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana  mikasika ny fitoriana napetrak’ireo solombavambahoaka miisa 73, amin’ny fanalana ny Filoham-pirenena amin’ny asany dia tafapetrak’ireo solombavambahoaka ihany koa ny fitoriana ireo depiote namadika palitao.  20 juin 2018

Raha tsiahivina dia  ny faha-29 mey lasa teo no efa tafapetraka teny Ambohidahy ny fitoriana, hatramin’izao anefa dia toa tsy misy resaka intsony ny raharaha.  Maro amin’ireo mpanara-baovao politika no somary talanjona amin’ny zava-misy satria lasa tsy asian-teny intsony ny momba ireo olona mpamadika palitao ireo, tsy fantatra hatramin’izao izay fotoana hamalian’ny Hcc ny fitakiana  ? 

Fangatahana ny fampitsaharana ireo solomba- vambahoaka ireo amin’ny asany noho ny fanitsakitsahana ny andininy faha-72  ao anatin’ny lalàmpanorenana no vontoatin’ny fitoriana ka sanatria ve dia hananosarotra azy ireo indray ny hanala ireo mpanindrahindra ny Hvm  ? Raha hazavaina tsotra  ny voalazan’io andininy io dia tsy azon ‘ireo depiote  atao ny miovaova vondrona na antoko politika hafa rehefa tafiditra ao anatin’ny antenimieram-pirenena. 

Betsaka anefa ireo nandika lalàna ary fantatra fa  miisa 18 ireo solombavambahoaka voakasika amin’ity fitoriana ity dia 2 avy amin’ny malagasy miara-mianga (mmm), 2 avy amin’ny Tiko i Madagasikara (Tim), ary 14 avy amin’ny Mapar. Misy moa ireo depiote niova loko toa an’i Jaona Elite voafidy teny Atsimondrano no nalaky niforitra sy tapi-dalan-kaleha ka nanambara ampahibemaso mialoha fa tsy manohana ary tsy Filohan’ny vondrona parlemantera Hvm intsony. 

Raha toa ka mahazo rariny ny fitorian’ireto depiote ho amin’ny fanovana ireto dia tsy azo lavina  fa afaka mampitsahatra azy ireo amin’ny asany ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy re sy tsy hita soritra ny famaliana izay fitoriana izay fa dia mbola sasa-miandry ny rehetra.

Tatianà R.  

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés