Tsy nisy tsy nahalala azy fa naloan’ny mpiasa teny anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana eny 67ha itsy farany nandritra ny tolona natao satria mibaribary loatra ny fanjakazakany amin’ny fanaovana kolikoly sy ny tsy fanajany ny zon’ny mpiasa. Avy hatrany dia noesorina tsy ho eo amin’ny toerany intsony izao. Izao indray dia mbola tafiditra tao anatin’ny governemanta vaovao ity malaza ratsy amin’ny asa maizina ity ka tsy nisy mpiasa nety nankato azy velively hatramin’izao.
Fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray, omaly maraina àry fa nanakarama be sandry nanao fiakanjon’olon-tsotra na irony “gros bras” irony ity rangahy ity mba hanohitra ny hetsi-bahoaka sy ny diabe nataon’ny Depiote ho an’ny fanovana, io omaly io hatrany. Midika izany amin’ny rehetra fa mbola te hiziriziry sy hampanjaka ny tiany hatao ihany ralehilahy na dia efa tsy asian’ olona vidiny aza.
Hatreto aloha dia tsy manaiky ny hiara-hiasa aminy mihitsy ireo mpiara-miasa amin’ny ao amin’ity minisitera ity satria “tsy mandray ny efa naloan’ny hafa izy ireo”. Ny mahagaga hatreto dia mbola tafiditra ao anatin’ny fitondrana hatrany ny tenany na dia efa hita izao aza fa voasaringotra matetika ao anaty raharaha maloto. Misy raharaha ambadika ve ny antony itazomana azy, hoy ireo mpanara-maso akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana.
Ny Fanoratana