Webradio

ASAN-DAHALO AO ANALAIVA : Lehilahy iray maty voafira famaky tamin’ny lohany, omby 100 mahery voaroba

Nandravarava indray ny dahalo tao Ampandra kaominina ambanivohitr’ Analaiva, distrika Morondava, omaly maraina.  20 juin 2018

Lehilahy iray no hita faty tamin’ny lalana anelanelan’Ampandra sy Analaiva, omby 100 mahery kosa voaroba tao an-tanàna. Omaly avokoa no nitrangan’ireo tao amin’ity kaominina ity. Manjaka ny asan-dahalo sy halatr’omby any an-toerana ankehitriny satria efa lasa miseho isan’andro izany. Tokony ho tamin’ny 6 ora maraina no nidiran’ny andian-dahalo nirongo basim-borona tao an-tanàna, tokantrano iray notafihan’izy ireo ka lasa avokoa ny omby iray vala, izay miisa 100 mahery. Poa-basy tsy nifankahitana nataon’ireo dahalo ka vaky nando- sitra ny iray tanàna, tsy nisy sahy niverina tao avokoa izy ireo raha tsy efa lasa ny mpangalatra. 

Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra nandritra ny fanafihana. An’olon- tokana ireo biby fiompy voaroba tao Ampandra ireo, raha ny fampitam-baovao azo. Nandritra ny nitondran’ireo malaso ny omby dia nandrahona sady nanapoaka basy ihany ireto farany ho fampitahorana ny mponina tsy hanara-dia. 

Ankoatra izany dia lehilahy iray no hita faty nitsirara voakapa famaky teo amin’ny lohany. Tsy fantatra izay nahavanon-doza fa olona nandalo no nahita ny vata-mangatsiakan’io lehilahy io. Tsy milamina ny Faritra Menabe iny ankehitriny.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés